Laza Adina I: Fanontaniana
1.
Tanisao ireo lohateni-pizarana ao anatin’ny Boky “Vakivakim-piainana”
nosoratan’I I.P. ANDRIAMANGATIANA.
2. Omeo ny endriky ny fananam-panahy telo araka ny
foto-pisainana Malagasy.
Laza
Adina II: Isafidianana ny A sy ny B.
A.
Famafakafan-kevitra
Hoy I Nalisoa RAVALITERA: “Zanahary tapany ny
mpanoratra”. Fakafakao sy tsikerao izany.
B.
Fanadihadiana Lahatsoratra
Foto-piasainan’ny Malagasy ny hoe: “Ny Fanahy no
olona”, maneho izay heveriny ho fototry ny soa rehetra manendrika ny fiainan’ny
mpiara-monina. “Ny Fanahy maha olona” no tsy maintsy manantena manentana
antsika eo amin’ny hetsika amam-panao rehetra.
Tsy ho tafarina ny firenena raha tsy io “fanahy
maha-olana” io no zary fototra iorenan’ny fiaraha-monina indray. Raha
voakolokolo tsara izy dia tsy ho kobaka am-bava intsony fa ho tanteraka an’asa
ny fanajana ny fahamendrehan’ny olombelona tsy ankanavaka, ny fikatsahana ny
soa iombonana, ny fananana konsiansy sy eritreritra eo am-panatanterahana ny
adidy aman’andraikitra.
Hanarenana izany “Fanahy maha-olona” izany eto amin’ny
firenena, di any Malagasy tsy misy avakavaka no tsy maintsy mahatsiaro tena ho
tompon’andraikitra, misikina herim-po sy fahasahiana hanarina ny toe-javatra.
In GAZETY Kakroan’I Madagasikara, 03/04/88, tak. 04.
Fanontaniana: Hadihadio io lahatsoratra io.