Laza
Adina I: Fanontaniana
1. Milaza eva na dondo telo (03) nentin’ny Malagasy
naneho ny aina.
2. Manomeza tara-kevitra telo (03) iombonan’ny asa
soratr’ireto ireto:
J.J. Rabearivelo, Samuel Ratany, Jasmina Ratsimiseta.
Laza
Adina II: Isafidianana ny A sy ny B.
A.
Famakafakan-kevitra
Hoy ny mpandinika iray:
“Lalana iray ahatongavan’ny tsirairay sy ny fiaraha-monina
amin’ny atao hoe tonga lafatra ny finoana ny fisian’ny tsiny sy ny tody”.
Fakafakao sy tsikerao izany fiheverana izany.
B. Fanadihadiana lahatsoratra
(…) Ka ny tena mpanoratra, ny tena poeta, dia ilay
mahay mandresy lahatra ny mpamaky, ilay mamony ny tenany, ilay mpamalifaly,
manohina anao hangoraka, halahelo, ilay misarika anao ho tia, mety hanosika
anao hankahala, ilay mahatonga anao hankasitraka, dia ilay mpandrindra ny
fihetsem-ponao hiankavia na hiankavanana.
Ny aingam-panahy no karazana tromba mambambo ny fon’ny
poet aka mahatonga azy hiteny kanto, hanoratra ny meva, hambabo fo hafa.
Manampy izany indrindra ny fivelaran-tsaina, ny herin’ny fieretseretana, ny
asan’ny fanahy, ireo rehetra ireo mitambatra no tonga hery famoronana, ka
antsoina hoe talenta.
Manatevina izany rehetra izany ny tetika sy paika
enti-mandrindra ny asa, izay mahatonga ny fitenenana fa ny poeta dia
mpandrindra. Ka ny feo sy ny teny no arafiny ho tonga sora-kanto. Ary ny
soratra avoakany amin’izany dia maneho fa ny mpanoratra, ny poeta dia havanana
sy kinga amin’ny fampiasana teny sy soratra: ahodiny hanana endrika miavaka
ireny ka miteraka fihetseham-po miavaka koa.
Ny soratra no ahalalana fa ny nofinofy, ny fahitana
mbamin’ny tsindrimandry iainan’ny mpanoratra no avoakany. Tsy izany ihany fa ao
ny fanomezana dikany ny fiainana, ny fanazavana ny fitrangan-javatra ao amin’ny
fiaraha-monina. Ary mbola maneho amin’ny alalan’ny teny risi-po sy ny
fahadisoam-panantenana koa izy.
RAKOMAHAFALY Norbert Eugene (Madagascar-tribune,
no 028, 17 Janvier 1989)
Mamony: mampionona, mampitony.
Fanontaniana: Hadihadio io lahatsoratra io.