Laza Adina I: Fanontaniana
1.
Milaza tara-kevitra roa iombonan’ny asa soratr’I J.J. RABEARIVELO sy Samuel
RATANY.
2. Hazavao ao anatin’ny andalana tsy mihoatra ny dimy
fa mpiantoka ny velona ny razana.
Laza
Adina II: Isafidianana ny A sy B
A.
Famafakafan-kevitra
Hoy ny mpandinika iray: “Tsy ilaina ny literatiora,
satria ny onja’ny nofinofy voiziny dia misavoana manendrika ny lakan’ny
fampandrosoana ny fiaraha-monina”. Fakafakao sy tsikerao.
B.
Fanadihadiana lahatsoratra
(…) – Hanao boto? Lehilahy efa mba teny amin’ny oniversite
ve dia hanao boton’olona? Tsy rariny kosa izany!
- Fa angaha ny “maha-lehilahy lehibe teny amin’ny
oniversite” ahy hahitako ny haniko isan’andro? Ary inona intsony moa izay
rariny e? Ny miasa an-trano no mba haiku sy mora mety hahitana asa. Izay no
anjara tratrako.
- Marina kanjo ny anao! Tena mampalahelo isika tanora
ankehitriny. Mba nianatra ihany. Mba nandanian’ireo ray aman-drenintsika
fatotra amam-pondrana ihany, … nefa dia izao: tsy an’asa. Fahiny, rehefa miteny
I dada mialohan’ny taom-pianarana vaovao dia hoe: “Mianara tsara! Tsy
manan-kolovana afa-tsy ny fahaizana ianareo. Mianara dia ho tafita!”
Ankehitriny anefa, toa izay nianatra indray no rendrika (…)
- Izany anie no ilazako hoe: Tsy hitako intsony izay
Rariny! Raha ny fikirizako fahiny ry Meja, tsy haniry izay ho mpiasa an-trano
mihitsy aho! Tsy izany velively no tanjoko (…) saingy resy e! Ny hahitana izay
sitrany ahay vaza-mihetsika sisa …
Iharilanto Patrick ANDRIAMANGATIANA (in
VAKIVAKIM-PIAINANA, tak. 26-27)
Fanontaniana: Hadihadio io lahatsoratra io.