Laza
Adina I: Fanontaniana
1. Inona avy ireo tara-kevitra telo lehibe nisongadina
tamin’ny asa soratra Malagasy?
2. Milaza antony telo mahatonga ny Malagasy hitsimbina
fatratra ny Aina.
Laza
Adina II: Isafidianana ny A sy ny B.
A.
Famafakafan-kevitra
Hoy ity mpandinika iray: “Tsy ilain’ny olona mahantra
ny literatiora”. Fakafakao sy tsikerao izany.
B.
Fanadihadiana lahatsoratra
Ny tontolo
iainako?
Tontolo tsy mirary izoranao mandala
Tontolo malomaloka tsy Fanta-dia ho aiza
Tontolo gaboraraka an-tanan’ny adala
Tontolo feno lainga maniboka ny marina
Tontolo feno fitaka manindry anao hivarina
Ny
tontolo an-tsaina ianako?
Tontolon’ny
voary manento fofon’aina
Tontolo
feno sary mirindra amin’ny feo
Tontolo
iray milanto mihira fitoviana
Tontolo
iray milamina maneho firaisan-kina
Ny tontolo iananao?
Dia ilay maneho ny misy
Anaty tsy fisiana
Dia ila mikatraka ny rindra
Anaty habibiana
Dia ilay misotro loza
Hiteraka hafaliana
Dia ilay manantena volana
Namafa fahoriana
Dia ilay miandrandra mana
Nanaiso-pijaliana
Ny
tontolo iainantsika?
Tontolo
anofy angamba
Kanefa
ho tanteraka
Raha
toa isika miezaka
Sy
iray tarigetra
A.R.NI (16 Jona 1990), Tontolo isainana, tak. 113.
Hadihadio
io tononkalo io.