Laza
Adina I: Fanontaniana
1. Milaza lafin-javatra telo mampiseho ny maha-kanto
ny tononkalo.
2. Inona no atao hoe anjara amin’ny foto-pisainana
Malagasy? Inona avy ny karazany raha ny loharano nipoirany no jerena?
Laza
Adina II: Isafidianana ny A sy ny B.
A.
Famafakafan-kevitra
Misy fombam-pitenenana manao hoe: “Aza mimenomenona
amin’ny anjara fa tsy olombelona no tompon’ny lahatra”. Fakafakao sy tsikerao
izany.
B.
Fanadihadiana lahatsoratra
“Ny mpanoratra dia mpanabe sy mpamianatra; noho izany,
tompon’andraikitra amin’ny fanolokoloana ny sain’ny Malagasy izy. Koa
mampahatsiahy azy ireo izahay hoe: efa mba voafaritrao poeta, ianao mpanoratra
ve ny sakafon-tsaina natolotra ny Malagasy? Mba efa nojerenao akaiky ve ity
toe-tsaina vangavanga iainan’ny Malagasy ankehitriny ity? Anananao andraikitra
izany.
Zava-bahiny tsy antonona ny toe-batany no nasainao
nateliny ka nakarary ny ambavavafony, ianao anefa tsy mety hitrandraka
zava-Malagasy mampangetaheta azy.
Impiry ianao no mieritseritra fa ny tsy fahaizana
mandanjalanja avy aminao no mety mamorika ny sain’ny Malagasy izay efa
miharatsy rahateo?
Ianao poeta, ianao mpanoratra, lalana mankaiza no
hirahinao ny sain’ny Malagasy? Ianao no mpitari-dalana ka tsy ny fanafoanana
izay efa tsara akory ny fanagasiana, fa ny fanandratana izay maha Malagasy eo
amin’ny toerana avo …”
RANOE, Fifandraisana Sekoly FJKM no2 – Fihavanana.
Hadihadio.