Laza
Adina I: Fanontaniana
1. Inona no mahakanto an’ity ampaha-tononkalo
ity ?
Izay fantatra no tiana
Izay tiana no kolokoloina
Izay kolokoloina no arovana,
Izay arovana no asondrotra,
Izay asondrotra no asandratra,
Izay asandratra no azo ireharehana
Esther RANDRIAMAMONJY
2. Mitanisa ohabolana telo mikasika ny fiheveran’ny
Ntaolo ny amin’ny toetoetry ny marina.
Laza
Adina II: Isafidianana ny A sy B.
A.
Famafakafan-kevitra
Hoy ity mpandinika iray: “Toa mila tsy hino ny tody
intsony ny olona, satria toa botrabotra ny mpanao ratsy ary saozanina ny
mpandala ny rariny”. Fakafakao sy tsikerao.
B.
Fanadihadiana lahatsoratra
IANAO
Eny, ianao ilay poeta, izay mandany ron-doha,
Te hamboraka ny miafina sy milevina ao am-po
Ka mandrary soratsoratra hanana endrika milanto
Sy miezaka hampihaingo hanatratra irony kanto.
Eny ianao
ilay poeta, voahosom-potaka mazana,
Sy
lazaina ho mpandrongony sy mpandika ireo lalana
Ka
matetika mamikitra tsy ho lavo na hianjera
Sy
miezaka mirakitra an-takila ireo tsikera.
Eny ianao ilay poeta, tia sy miaro Tanindrazana
Tsy mitsitsy ranomainty mivandravandra, mihidy vazana,
Saro-piaro amin’ny tany, amin’ny teny sy ny zony:
“Ny fahafahanao ry Taniny no fahafahana ao am-pony”.
Eny
ianao ilay poeta, mitsikera ny fisiana,
Eny
ianao ilay mpitondra vatsim-po ho fifaliana.
Hery
RAKOTOJAONA, Sandatra, May 1990.
Hadihadio io tononkalo io.