Sujet 1:
Faites
l’étude ordonnée du texte suivant en vue d’en dégager son intérêt
philosophique.
« Notre
époque est menacée par le positivisme et le scientisme. Elle est tentée de ne
reconnaitre comme valables que les autres formes de pensée dans le domaine de
l’opinion aléatoire. Reconnaitre à la connaissance scientifique une grande
valeur explicative et une grande efficacité pratique ne peut faire oublier
qu’elle ne porte que sur des phénomènes. Les savants authentiques ne
surestiment pas le caractère de la preuve expérimentale qui établit la réalité
d’une relation, l’interprétation de cette relation pouvant toujours être revue.
Ils reconnaissent aussi le caractère hypothétique des grandes théories. Enfin,
quelque garantie qu’apporte la preuve dans la connaissance, elle n’est pas
l’unique objectif dans la pensée. L’esprit n’a pas à être contraint mais
éclairé; il peut rencontrer d’autres lumières que celle de la science ».
Isabelle
MOURRAL et Louis MILET
Traité
de philosophie
Laza Adina 1:
Hadihadio
mirindra ity lahatsoratra ity ka asongadino avy amin’izany ny lanjany
ara-pilozofia.
« Izao vanim-potoana iainantsika izao dia mitady
hanjaka ny pozitivisma sy ny siantisma. Toa mirona amin’ny fanekena ho hany azo antoka ireo
karazam-pahalalana siantifika hafa ao amin’ny sehatrin’ny hevitra tsy
voafaritra. Ny fanomezan-danja lehibe ny fahalalana siantifika eo amin’ny
fahafaha-manazava sy amin’ny fandairan’ny fiasa dia tsy manome lanja lehibe ny
porofo azo tamin’ny fanaporofoana siantifika mampifandray ireo tranga, ny
fahitana io fifandraisana io dia mbola azo averina dinihina. Eken’izy ireo
ihany koa ny mbola mahavinavina ireo teoria goavana. Farany, tsy ireo fahazoana
antoka entin’ny porofo eo amin’ny sehatry ny fahalalana no tanjon’ny saina. Tsy
natao hoterena ny saina fa natao hazava; mety hahita fahazavana hafa ankoatra
ny entin’ny siansa izy.”
Isabelle
MOURRAL et Louis MILET
Traité
de philosophie
Sujet 2:
Faites
l’étude ordonnée du texte suivant en vue d’en dégager son intérêt
philosophique.
« Le
« Je » historique est engagé dans un corps, dans une société, dans un
univers qui le pressent d’être le moins possible un « Je ». Le corps
multiplie les passions et les instincts qui selon, le mot de Pascal, nous
jettent à la porte de nous-mêmes. La société multiplie des personnages qui
suppléent la personnalité. Ainsi la personne trouve dans ses conditions
d’existence les puissances qui tendent à la dépersonnaliser. »
GOUHIER
La
philoshophie et son histoire
Laza Adina 2:
Hadihadio
mirindra ity lahatsoratra ity ka asongadino avy amin’izany ny lanjany
ara-pilozofia.
« Ny
« izaho » fototra dia tafalentika ao anatin’ny vatana, ao anivon’ny
fiaraha-monina, ary ao amin’ny tontolo izay manery ny fisian’io
« izaho » io hanjary ampahany faran’izay kely indrindra. Ny vatana
dia mampitombo ny fietanam-po sy ny filana voajanahary izay manilika antsika
hivoaka ivelan’ny maha izy antsika araka ny tenin’ny Pascal. Mampitombo ny
fisehoana isaky ny andraikitra izay maka ny toeran’ny maha izy azy eo amin’ny
olona ny fiaraha-monina. Noho izany, ao anatin’ny toe-javatra iainany no
ahitan’ny olona hery izay mitarika any amin’ny fanafoanana ny maha izy azy.
GOUHIER
La
philoshophie et son histoire
Sujet 3:
Faites
l’étude ordonnée du texte suivant en vue d’en dégager son intérêt
philosophique.
« Qu’est-ce
que l’homme? La physiologie étudie son corps, la psychologie étudie son âme, la
sociologie l’étudie comme être social. Les sciences humaines ont apporté toutes
sortes de connaissances mais non celle de l’homme dans sa totalité. La question
qui se pose c’est de savoir s’il est, en général, possible de se faire une idée
exhaustive de l’homme au moyen de ce qu’on peut savoir de lui, ou bien si
l’homme est, au-delà, quelque chose de plus. »
Karl
JASPERS
Introduction
à la philosophie
Laza Adina 3:
Hadihadio
mirindra ity lahatsoratra ity ka asongadino avy amin’izany ny lanjany
ara-pilozofia.
« Inona no atao hoe olona? Mandinika momba ny
vatany ny filozofia, mandinika ny sainy ny psikolojia, mandinika azy amin’ny
maha olom-piaraha-monina azy ny sosiolojia. Nitondra karazam-pahalalana ny
siansa momba ny maha olona fa tsy nahasahana ny olona amin’ny maha izy azy
manontolo izy ireny. Ny olana mipetraka dia izao: mety ho azo atao ve, amin’ny
ankapobeny, ny mihevitra izany olombelona izany amin’ny maha izy azy manontolo,
amin’ny alalan’izay mety ho fantatra momba azy, na zava-misy hafa ankoatr’izay
nahalalana azy no atao hoe olombelona.”
Karl
JASPERS
Introduction
à la philosophie
Sujet 4:
Faites
l’étude ordonnée du texte suivant en vue d’en dégager son intérêt
philosophique.
« La
science dans son besoin d’achèvement comme dans son principe, s’oppose
absolument a l’opinion. L’opinion a toujours tort. L’opinion pense mal ;
elle ne pense pas: elle traduit des besoins en connaissance. En désignant les
objets par leur utilité, elle s’interdit de les connaitre. On peut rien fonder
sur l’opinion: il faut d’abord la détruire. Elle est le premier obstacle a
surmonter. L’esprit scientifique nous interdit d’une opinion sur des questions
que nous ne comprenons pas, sur des questions que nous ne savons pas clairement
formuler. Avant tout, il faut savoir poser problèmes. Les problèmes ne se
posent pas d’eux-mêmes. Pour un esprit scientifique, toute connaissance est une
réponse à une question. Rien ne va de soi. Rien n’est donne. Tout est
construit.
Gaston
BACHELARD
La
formation de l’esprit scientifique
Laza Adina 4:
Hadihadio
mirindra ity lahatsoratra ity ka asongadino avy amin’izany ny lanjany
ara-pilozofia.
« Ny
siansa, ao anatin’ny filany ho tanteraka sy ao anatin’ny fitsipika fototra
mifehy azy dia manohatra tanteraka ny fiheverana. Ny fiheverana dia diso foana. Tsy mandinika tsara ny
fiheverana ; tsy misaina izy. Amin’ny filazany ny zavatra amin’ny alalana
ilana azy dia miniatsy mahalala azy
ireny izy. Ny toe-tsaina siantifika dia mandrara antsika amin’ny
fanomezana hevitra momba ny fanontaniana izay tsy azontsika, momba ny fanontaniana
izay tsy haintsika akory ny mandrafitra azy mazava. Mialoha ny rehetra, mila
mahay mametraka fanontaniana. Tsy mipetraka ho azy ny olana. Ho an’ny
toe-tsaina siantifika, ny fahalalana rehetra dia valim-panontaniana. Tsy misy
mandeha ho azy. Tsy misy tranga mivantana. Narafitra avokoa ny rehetra. »
Gaston
BACHELARD
La
formation de l’esprit scientifique
Sujet 5:
Faites
l’étude ordonnée du texte suivant en vue d’en dégager son intérêt
philosophique.
« Si
la vérité philosophique est l’objet d’une démarche libre, ce n’est pas le sujet
individuel qui, par son choix, crée la vérité et la valeur. Nous ne pouvons pas
par une décision personnelle, déclarer que ceci est juste, vrai, bien. Le
juste, le vrai, les biens ; sont des objectifs intelligibles extérieurs à
l’esprit individuel. La philosophie les cherche avec ardeur. Sa recherche est
longue et n’aboutit jamais qu’à des approches et des approximations. »
Isabelle
MOURRAL
Traité
de la philosophie
Laza Adina 5:
Hadihadio
mirindra ity lahatsoratra ity ka asongadino avy amin’izany ny lanjany ara-pilozofia.
« Raha
toa ka iantefan’ny fomba fiasa malalaka ny marina ara-pilozofia dia, tsy ny
tsirairay akory no mamorona amin’ny alalany safidiny ny marina sy ny rariny.
Tsy azontsika atao amin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra manokana fotsiny ny
manambara fa izao no rariny, marina, tsara. Ny rariny, marina, ny tsara dia tanjon’ny saina
ivelan’ny sain’ny tsirairay. Mikaroka azy ireo fatratra ny filozofa. Maharitra ela ny fikarohany, saingy tsy mety
tody mihitsy afa-tsy amin’ny fanakaikezana sy fanatonana fotsiny ihany.”
Isabelle
MOURRAL
Traité
de la philosophie