Laza adina I: Famafakafan-kevitra
Hoy
I Charles Ranaivo ao amin’ny Gazety Fiainana Lah 64, Avril 1934:
“Sambatra
ny olona izay mbola mahay midera, mankasitraka, sy tia ny namany izay soa sy
ambony, fa mbola velona sy manan-kery ary mitombo ao aminy ny tsirin’ny
fahasoavana sy ny fahamboniana”.
Fakafakao sy tsikerao izany teniny izany.
Laza
adina II: Fanadihadiana Tononkalo
Hanoratra?
Hanoratra indray hoe? Hanoratra ahoana?
Ny vita hatrizay
aza tsy misy mpamaky
Fa tahaka ny resaka atao amin’ny moana
Toa entan-tsy lafo tsy nisy mpitaky
Fa ny
ranomainty efa ritra hatrizay
Moa
va tsy riakan’ireo ranonorana?
Ny
taratasy voasoratro indray
Toa
fako miavovona tiana hodorana
Tsia fa hanoratra ihany ny tenako
Raha mbola misy ny tokony hambara
Hanoratra ihany ao fa sao hanenenako
Raha to aka mivily lalan-tantara
Hanoratra
ihany aho ho fanantenan’
Ireo very
hevitra mila ho vizana
Hilaza
fa ho avy ny fahazavan’
Ny
andro marainan’izay nikirizana
Hanoratra ihany aho ho fampaherezana
Ireo izay mitolona sady voasedra
Ho mari-piraisana, ho manda tehezana
Hitsoka ilay afony hiredareda
Hanoratra
ihany aho sao mba ireny
No
mety ho jiron’ireo tranomaizina
Misy
sakaizako tsy afa-miteny
Nefa
tsy kivy na ambavan-kofaizina
Hanoratra ihany aho hanoratra foana
Ho
an’ny mpitondra an’ity firenena
Hanitsy ny diany raha misy mivaona
Amin’ny lalan-kizorana nifanekena.
RADO, ZO, tak. 139. 140.
(30.07.1983)
Hadihadio io tononkalo io.