Collection Laza Adina fanadihadiana lahatsoratra | Baccalauréat série A-C-D à Madagascar


Laza Adina: Fanadihadiana lahatsoratra
Laza adina 1:
“Hoy I Tsiry ao amin’ny “Vakivakim-piainana”.
“… Angamba izay ho safidinao ry Mino tsy ahatosika ny vintana. Hery lehibe loatra, hery be dia be loatra no mitambatra ho vintana: ny nahaterahana, ny nahaterahana, ny fiara-monina, ny firazanana, ny hery mampitsimoka ny fiainana… Ireny no manosika anao ary saro-pehezina ireny!”
Vakivakim-pianana P.29
Fanontaniana: Hadihadio io sombin-dahatsoratra io.

Laza adina 2:
Efitra telon’ny fiainana
Miefitrefitra ny fianam-dRaolombelona. Misy efitra voalohany, dia ilay itovizany amin’ny biby rehetra; dia izy teraka sy mitombo sy maty, mahare fahafinaretana na fijaliana amin’ny nofony, mampiasa ny zava-boahary hahasoa ny fianany. Ambaratonga ambany indrindra io amin’ny fiainan’olombelona: fiainana ara-batana, fiainana ara-pivelomana.
Efitra faharoa kosa, dia ilay iarahany amin’ny olombelona tahaka azy; dia izy mifanerasera sy mifampikasoka, ka mifankatia na mifankahala, mifamalifaly na mifanorisory. Ambaratonga ambonimbony kokoa io: fiainana arak any fo, fiainana ara-pihavanana.
Ary efitra fahatelo sy farany, dia ilay ao anaty miankina amin’ny safidy sy ny finiavana tokana: dia izy mizaka ny tenany na ho tsara na ho ratsy, na ho mahitsy na ho meloka, eo anatrehan’ny eritseriny tsy azo salovanina. Ambaratonga ambony indrindra io: fianana ara-panahy, ara-pahamarinana.
R.P. RAHAJARIZAFY (Filozofia Malagasy tak. 134)
Fanontaniana: Hadihadio io sombin-dahatsoratra io.

Laza adina 3:
Ny anjara
Ny anjara dia zavatra voatondro, voafaritra, voatokana, voavidy ho an’ny olona iray, (…)
Zavatra soa na ratsy, izay heverina voatendry, voalahatra ho an’ny olona tsirairay avy, ka tsy azo lavina, na fidiana, na idifiana, na sorohina, fa tsy maintsy azony na dia tsy vokatry ny fikelezany aina aza; na tsy maintsy mihatra aminy na dia tsy avy amin’ny nataony aza..
FIRAKETANA
Fanontaniana: Hadihadio io sombin-dahatsoratra io.

Laza adina 4:
Ny fanahy
“Ny fanahy no olona”. Izany hoe, hafa ny toetra maha-olona, ary hafa ny toetra maha biby.
Tsy ny tanjaka no maha-olona, fa raha ny tanjaka sy ny hery dia ny soavaly no tokony ho olona, fa ny olombelona ho biby ambany kilasy noho ny ampondra aza. Raha ny fahaiza-manidina toy ny vorona indray no maha-olona di any voromailala no ho olona kokoa noho isika. Fa tsy izany, fa ny toe-tsaina sy ny toe-po ary ny fahatsiarovan-tena samihafa mitranga eo amintsika olombelona, ka mampiavaka antsika ho ambonin’ny zava-manan’aina rehetra.
Rakotonirainy Joseph (Ny fahendrena Malagasy)
Fanontaniana: Hadihadio io sombin-dahatsoratra io.

Share this