Laza
Adina I: Fanontaniana
1. Manomeza tara-kevitra telo (03) fiventin’I Samuel
RATANY ao amin’ny asa sorany.
2. Misy ambaratonga telo (03) ny fananam-panahy.
Inona avy izy ireo?
Laza
Adina II: Isafidianana ny A sy ny B
A.
Famakafakan-kevitra
Hoy ity mpandinika iray: “Ny Literatiora! … mitaiza ny
olona ho any amin’ny tontolon’ny nofinofy”. Fakafako sy tsikerao.
B.
Fanadihadiana Lahatsoratra
Na niolaka atsy na nivadika aroa, mitotototo foana
ilay fanahin’ny Malagasy nila vonjy sy fitahiana, fa ny farany
tokin’Andriananahary ihany! (…) tsy afaka tamin’ny eritseriny na oviana na
oviana Andriananahary. Zovy moa no afa-mihodivitra amin’Andriananahary? Mamono
eritseritra ny firenena mihambo sy mivavaka aminy: mitady tsy olona ireny, fa
manao azy Andriamanitra angamba no ho biby? Fantatro anefa fa tsy izay adala
minia mikipy no mahafoana iry masoandro iry; ary tazano fa ireo miavona manao
tsy hivavaka aminy ireo indrindra no midi-kizo amin’ny finoanoam-poana maizina
sy mahatsikaiky.
Raha Malagasy dia tsy hihambahaba izy ny hiondrika sy
hibaboka tongotra aman-tanana eo am-paladian’ny Tompon’ny Lahatra. Ary tsy
niala teo (…) Andriamanitra tokoa no (…) voalohan-teniny sy faran-teni’ny
Filozofia Malagasy.
Rev P. RAHAJARIZAFY, in Filozofia Malagasy, tak. 90.
Fanontaniana: Hadihadio io lahatsoratra io.