Laza
Adina I: Fanontaniana
1. Manomeza tara-kevitra telo lehibe nisongadina
tamin’ny vanimpotoana fiforetana anaty?
2. Avy aiza no iporan’ny tsiny arak any fiheverana
Malagasy?
Laza
Adina II: Isafidianana ny A sy ny B.
A.
Famafakafan-kevitra
Hoy ity mpandinika iray: “Manampy ny tsirairay eo
amin’ny fanefana ny maha-olona azy ny literatiora”.
B.
Fanadihadiana lahatsoratra
Ny hoe Marina dia mora tononina fa saro-dazaina. Noho
ny hamoran’ny fanononana azy dia re mandrakariva amin’ny olona rehetra izy, ary
mampalahelo aza fa ny olona tsy te hanao ny Marina no mazana fatra-panonona ny
hoe: Marina, ho enti-mamadika ny Marina.
Tsy avy hatrany dia fantatra ny Marina fa mbola liana
ny vavolombelona mahatoky matetika. Mampalahelo anefa ny mahita ny sasany tsy
mety milaza izay tena Marina fa resin-tahotra, tsy sahy mijoro ho vavolombelona
mahatoky fa miforitra ohatra ny olona tsy manana hazon-damosina. Ny olona izay
milaza ny Marina dia tahaka ny farihy madio mangarangarana ka hita ao ny
taratry ny lanitra manga sy ny famirapiratry ny vato kilonjy fotsy.
Joseph RABETAFIKA, Mpanolo-tsaina, Lah-4,
oktobra 1904.
Fanontaniana: Hadihadio io lahatsoratra io.