1. Ny tara-kevitra roa iombonan’ny asa soratr’I J.J.
RABEARIVELO sy Samuel RATANY:
- Ny alahelo tsy fantam-piaviana, sy sorisorin-tsaina,
ny fahatsiarovana sy ny hanina ny “lasa”. Marihina fa samy tao anatin’ny
vanim-potoana “Fiforetana anaty” no niainan’izy mirahalahy.
2. Hazavao ao anatin’ny andalana tsy mihoatra ny dimy
fa mpiantoka ny velona ny razana:
- Ny razana no aloalon’ny lanitra sy ny tany. Izy no
mitondra ny hetaheta sy ny fanirian’ny velona ho any amin’ny Zanahary. Ny
razana no mitahy ny velona amin’izay zavatra rehetra aoriny sy zava-drehetra
ataony. Tsy azony atao ny manda izany: “Raha razana tsy hitahy mifohaza hihady
vomanga”. Ny razana no manome hasina ny andriamanjaka sy ny mpitondra. Ny
razana no mpanome taranaka ho an’ny momba sy ny tsy niteraka (fatoriana eo
ambony tsihy namadihana). Noho izany miantoka ny velona ny razana.
3. Fenoy amin’ireto teny ireto ny tsanganana araka
izay fifandraisany:
Andriamanitra, tsiny, anjara, rariny.
Hitsiny
|
RARINY
|
Tody
|
TSINY
|
Razana
|
ANDRIAMANITRA
|
Vintana
|
ANJARA
|
4. Indreto misy fanampin’anarana poeta na mpanoratra.
Fenoy ny banga ary mariho raha: poeta, na mpanoratra, na poeta sy mpanoratra.
- Clarisse:
Clarisse RATSIFANDRIHAMANANA: Poeta sy mpanoratra
- Georges: Georeges ANDRIAMANANTENA (Rado): Poeta
- Emilson Daniel: Emilson Daniel ANDRIAMALALA:
Mpanoratra
- Jean
Verdi Salomon: Jean Verdi Salomon RAZANDRAINY (Dox): Poeta
5. Ireo sokajin’olona ialan-tsiny rehefa hikabary na
handray fitenenana:
- Ny mpitondra sy ny mpanapaka eo amin’ny tany sy ny
fanjakana.
- Ny zokiolona
- Ny Ray aman-dreny
- Ny vehivavy
- Ny mitovy taona sy saranga amin’ny tena
- Ny zandriolona
6. Ohabolana na fomba fitenenana iray avy momba ny
marina, ny vintana ary ny tsiny.
Ny Marina: “Teny zato, kabary arivo, fa tokana ihany
ny marina”.
Ny Vintana: “Tsy misy tsy mivavaka miatsinanana fa ny
harena miandry vintana”.
Ny Tsiny: “Ny tsiny toy ny rivotra ankadilalana,
mipaoka vao mahataitra”.
7. Indreto misy lohatenina boky. Lazao avy ny
anaran’ny mpanoratra azy:
- Mitaraina ny tany: Andry Andraina
- Sikajin’ny Dadabe: Randriamadanarivo
- Ny fanagasiana: E.D. Andriamalala sy
Ralaisaholimanana.
8. Ny angady nananana sy vy nahitana ny Fitsipi-pitenenana
Malagasy ara-drafitra: I SIMEON RAJAONA.
9. Ohabolana roa manaporofo fa mibaiko ny
fitondrantenan’ny olona ny fahatahorana an’Andriamanitra:
- “Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra
antampon’ny loha”.
- “Ny adala no tsy ambakaina, Andriamanitra no
atahorana”.
10. Ireo fizarana efatra eo amin’ny tantara raketin’ny
boky “Vakivakim-piainana”. Fitanisana ny lohateny tsirairay sy ny fizarana azy
ireo:
- Fizarana I: Tsikalakalam-pihavanana
- Fizarana II: Tsikalakalam-pitenenana
- Fizarana III: Tsikalakalam-bola
- Fizarana IV: Tsikalakalan’olona
11. Ny atao hoe “lany tamingana”, ny ny hoe “momba”.
Ireo antony maha ratsy azy:
- Antsoina hoe “lany tamingana” ny anaran-dray sy reny
tsy misy mpitondra sy mpandimby intsony noho izy reo lany taranaka. “Tamingana”
ahitana ny foto-teny hoe “singa” izay midika hoe “iray”. Ny “lany tamingana”
noho izany dia midika hoe tsy misy intsony na ny singany aza, tsy misy
intsony na dia iray aza.
- “Momba”: ny vehivavy tsy niteraka teo amin’ny
Malagasy no antsoina hoe momba.
- Ny maha ratsy ny “lany tamingana” sy ny “momba” dia
ny tsy fisian’ny taranaka mandimby. Tsy tanteraka mihitsy ny hoe: “ny
hanambadian-kiterahana, ny hiterahan-ko dimby”. Tsy misy arak’izany ny
fifampitohizan-taranaka. Tsy misy ny taranaka handova, ny zanaka hirahina, n zanaka
hamaly babena, haka volofotsy…
Mangidy amin’ny Malagasy indrindra izany hoe tsy
niteraka fa “momba” izany ka ho “lany tamingana”.
12. Ireo faribolana roa ivondronan’ny mpanoratra sy poety
misy amin’izao fotoana izao:
a. Faribolana “NY HAVATSA UPEM”
b. Faribolana “SANDRATSA”
13. Antony iray lehibe tsy mampitovy ny tsiny sy ny
tody:
- Ny tsiny azo ialana sy sorohina ihany fa ny tody tsy
maintsy mihatra na inona na inona atao.
14. Vanim-potoana inona no niantsoana ny teo
anelanelan’ny taona:
-1820 ka hatramin’ny 1905: Vanimpotoana Kristianina
-1905 ka hatramin’ny 1915: Vanim-potoana fakan-tahaka
15. Mitsimbina ny aina ny Malagasy ary mitsimbina ny
fitohizan’ny aina. Fombam-pitenenana telo manaporofo fa ampahany avy amin’ny
tena ny zanaka:
- Silaky ny aina.
- Vahatry ny aina
- Sombin’ny aina.
16. Ny tena anarana marina ao anaty soram-piankohonana
entin’ilay poeta na mpanoratra:
- Dox: Jean Verdi Razandrainy
- Rado: Georges
Andriamanantena
- Tanicus: Samuel Ratany
- Ilay: Rasalaisaholimanana
17. Tavilahy, Rafiringa, Tsimandresy, Ratsimanohitra,
… Nahoana no nampitondraina ireny anarana ireny ny zaza? Noho ny vintana manao
ahoana ka mety haninona?
- Mahery vintana ireny zaza ireny. Atahorana
hanoto-vintana ny ray aman-dreny sy ny manodidina azy. Noho izany, omena
anarana somary manaivaiva, na milaza fanetren-tena.
18. Ny taona nivoahan’ny Abidia Malagasy: 1823
Andro nanjakan’I Radama I
Ankoatra ny soratra Latina, Ny soratra nisy teto
Madagasikara: SORABE
Ny nitondra azy: ARABO
19. Milaza ohabolana:
- Roa mikasika ny Aina:
“Lahy tokana ny aina”
“Ny aina Ramangatahiana, ny vola Ramangatadiavina”.
-Roa mikasika ny Tsiny sy ny tody:
“Misoko toa ora-panala ny tsiny, an-koditra vao
mahangoly”
“Ny tody tsy misy fa ny atao no miverina”
-Roa mikasika ny anjara sy ny vintana:
“Aza miady vintana amin’ny akoho, fa raha ho any
antsena izy lolohavina”
“Iray tampo samihafa, samy manana ny vintany”.
20.
Mila tononkalo roa nosoratan’I Rado.
- Boboka, tia , tsy misy, hafatra, satriko, fitiavana,
tsy maty, voninkazo adaladala…