“Aza ny lohasaha mangina no jerena fa Andriamanitra ao
antampon’ny loha”
“Zanahary tsy tia ratsy”
“Fikasana ny an’olombelona fa ny didy
an’Andriamanitra”
“Andriamanitra tsy omen-tsiny, Zanahary tsy
omem-pondro fa ny olombelona no be siasia”
“Andriamanitra tsy andrin’ny hafa andriko ihany”
“Aza mandidy alohan’Andriamanitra toy ny mpanotrika
akoho”
“Vodivarin’Andriamanitra ny olombelona ka izay tiany
halaina no Alaina, ary izay tiany havela no avelany”
“Ny iray tahitahin’Andriamanitra, ny iray
tahitahin’olombelona”
“Aleo meloka amin’ny olombelona toy izay meloka
amin’Andriamanitra”
“Ny maty aza te ho maro”
“Velona iray trano, maty iray fasana”
“Raha razana tsy hitahy, fohazy hihady vomanga”